Notontosaina ny alahady faha 22 aogositra 2021 tao amin ‘ny Tobin’ny « Commandement des Formations Spécialisées (CFS) » eny IVATO ny lanonam-pankalazana ny faha 35 taona nijoroan’ny « Groupement de Sécurité et d’interventions Spéciales (GSIS) ».
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) sy ny Lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimaria (COMGN) nontronin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ary ireo Toby eto Antananarivo.
Raha tsiahivina moa dia tamin’ny 21 janoary 1986 no niforonan’ity Vondro-kery manokana ity ka « Groupe de Securité et d’Intervention Spéciale » no anarany raha navadika ho « Groupement de Securité et d’Intervention Spéciale » ny taona 2019. Ity vondronkery ity dia manofana manokana ireo zandary hisahana ny fiarovana na fiambenana olona ambony sy fitaovana na toerana manokana, fivezivezen’ny vola eo anivon’ny Banky foibe, ny fanavotana takalon’aina ary ireo asa fitandroana filaminana sarotra izay ilàna ny fahaiza-manao manokana sy avolenta.
Manamboninahitra 11 no efa nifandimby nibaiko ity vondron-kery manokana ity ka ny Kapiteny RANDRIANAZARY no komandy voalohany raha ny kapiteny RAVELOSON Jean no mitazona izany fibaikoana izany ankehitriny.
Fotodrafitrasa 2 no notokanana androany nandritra ny fotoam-pankalazana dia ny « terrain de rapport » izay navaozina sy ny « Salle polyvalente », fotodrafitrasa nifandrimbonana tamin ‘ny « Groupe Filatex » izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Zandarimaria.
Amin ‘ny maha Vondron-kery manokana ny GSIS dia nisy ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ireo Zandary miasa ao.
Nialohavana fotoam-bavaka ny lanonam-pankalazana taorian’ireo fanokanana.
Rehefa izay dia nisy ny fidandimbiasam-pitenenana ka nandritra izany no nisaoran’ny Komandin’ny GSIS ireo tompon’andraikitra ambony nanontrona ny lanonana sy nanatanteraka ny fanokanana. Nampahafantarana ihany koa fa misy ny fanofanana manao vy very ny aina na « commando » ny ivo-toerana ary vahiny izay namorona ny GSIS mihintsy no tonga mampanao izany fanofanana izany.
Nanantitra ny fisaorana ihany koa ny Komandin’ny CFS, ny kolonely RAKOTONIRINA Lala ary niarahaba ny SEG tamin’ny fandraisany ny andraikitra vaovao sy mankadiry izay sahaniny ary nanome toky ny hanatanteraka ny andraikitra izay mifanandrify amin ‘ny fanatsarana sy ny fitazonana ny lazan’ity vondron-kery manokana ity mba ho vanona sy sangany eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ary handravaka sy hanome hasina indray ny lamba izay iaraha-misalotra.
Nandritra ny fandraisampitenenan-pitenenan’ny SEG dia nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka izy tamin’ny fahatanterahana ireo foto-drafitrasa vao notokanana ary nankasitrahany ireo rehetra tonga nifanontrona tamin ‘ny lanonam-pankalazana. Nampatsiahiviny nandritra izany fa mpitarika ihany izy sy ireo efa voatendry sy mbola hotendrena hiara-hiasa aminy fa mba ahatanteraka ny andraikitra dia angatahina tolo-tanana na tagnamaro satria isika rehetra dia miaramilan’ny Zandarimaria. Hery iray tena reherehan’ny Zandarimaria ny GSIS ka isika ihany no mikolokolo sy manatsara azy hoy hatrany ny SEG. Nindraminy ny teny hoe « Niteny tamin’ny teny tsy fantatra Izy kanefa ny rehetra nahazo azy » mba hamerenany amin ‘ny fiteny fantatra ny zavatra rehetra takiana amin’ny Zandary mba hiverenana any amin ny fototra niaingana avy any amin’ny Sekolin’ny Zandarimaria dia ny « Article n°001 » amin’ny « Décret sur le service de la gendarmerie nationale » .
« La Gendarmerie = Force instituée » Ahitsiko ny filazana fa miaro ny vahoaka sy ny fananany no hany asan’ny zandary fa mitandrina ny didy roa dia ny didy mandrara sy ny didy manery.
Mila mitandro ny filaminana ny Zandary mba ahatratrarana ny tanjon’ny asa sy ny vokatra andrasana dia mba ho « voaaro ny Andrim-panjakana sy ny olombelona ary ny fananany ».
Ny tanjoko hoy ny SEG namarana ny fandraisam-pitenenany dia ny hiverenan ‘ny fahatokisan’ny vahoaka ny Zandarimariam-pirenena ary iangaviana ny Zandary rehetra hatrany amin’ny farany ambony ka hatrany amin’ny mpiana-draharaha hanao tagnamaro amin ny fanatanterahana izany.