IG BANI IVATO: NANDRAY NY FATRA FAHAROA AMIN'NY COVISHIELD NY JENERALY SEG

Araka ny toro-marika ara-pahasalamana dia nandray ny fatra faharoa (seconde dose) amin’ny vaksiny Covishield ny Jeneraly GELLÉ Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, anio faha 19 aogositra 2021 teny amin’ny « Infirmerie de garnison BANI » teny Ivato.
Marihina fa ny andron’ny 11 mey 2021 izy no nisitraka ny fatra voalohany teny amin’ny Toby jeneraly RATSIMANDRAVA, fony vao niatomboka ny fandraisana ity vaksiny ity.
Ny Fitondram-panjakana dia miezaka manentana sy manome fiarovana ny vahoakany manoloana ny fianakin’ny valan’aretina covid 19 izay mbola misy tokoa eto Madagasikara.
Ohatra tsara alain-tahaka izao ataon’Andriamatoa SEG izao mba hiarovan-tena sy hiarovana ny mpiray tanindrazana.
Fantatra ankehitriny fa hisitraka izany fatra faharoa amin’ity vaksiny ity avokoa ireo zandary nandray ny fatra voalohany manerana ny nosy manomboka anio.
Aoka hajaina hatrany ihany koa ireo fepetra sakana ara-pahasalamana.
Arovy ny tenanao hiarovanao ny hafa.