Lanonana famidram-pitantanana SEG

Raha vao omaly ny fanendrena ireo mpikambana vaovao izay mandrafitra ny Governemanta malagasy dia efa niroso tamin’ny asa avy hatrany ny teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Vita tamim-pirahalahiana anio alatsinainy faha 16 aogositra 2021 tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny Toby Jeneraly RAMAROLAHY Philibert ao Betongolo ny famindram-pitantanana teo amin’ny Jeneraly GELLE Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) vaovao sy ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard, izay nitana izany andraikitra izany teo aloha.
Tonga nanotrona izany ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana sy ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Manamboninahitra jeneraly avy ao ami’ny andiany faha 17 tao amin ‘ny Akademia miaramila Antsirabe izay andiany niara -nihira tamin’ny SEG vaovao ary ireo mpanao gazety.
Taorian’ny fisafoana ireo andian-tafika izay nanome voninahitra ny lanonana dia roso tamin’ny fanaovan-tsonia ny fitanana an-tsoratra ny roa tonta ary narahan’ny fifandimbiasam-pitenenana.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny SEG teo aloha no nisaorany an’Andriamatoa hajaina Andry Nirina RAJOELINA Filoham-pirenena, nametraka ny fitokisana taminy teo am-panatanterahana ny asany nandritry ny roa taona sy tapany, na dia maro aza ireo fanenjehana maro isan-karazany;
– Nisaorany indrindra ihany koa ny Filoham-pirenena nanome marim-pankasitrahana azy sy ireo zandary nanao ezaka ka nahazoana vokatra tsara; mbola porofo mitohaka amin’ny tenda izany fa matoky hatrany ny Zandarimaria izy;
– Nankasitrahany ihany koa ireo antanan-tohatra niara-nifandrimbona taminy ka nahafahany nanaraka ny toro-marika ara-politika natolotry ny Filoham-pirenena;
– Nantitranteriny fa tsy hijabaka na hanelingelina ny asan’ny SEG vaovao sy ny tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny Zandarimaria ny tenany fa sitrany dia sitrany raha hitohy ireo ezaka izay efa natao ho fanatsarana ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka anisan’izany ny fiarovana ny Andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany, ary ny fiahiana ihany koa ireo kambotin’ny Zandarimaria ao Arivonimamo.
SAROTRA FA AZO ATAO TSARA ny fandimbiasana ny SEG teo aloha hoy ny Jeneraly GELLE Serge SEG vaovao nandritra ny lahateniny ary hatao ao anatin’ny fahavononana izany;
– Asa tsara hotsarain’ny vahoaka hoy hatrany ny Jeneraly SEG no hanaporofoana sy hanamafisana ny filàna sy ny fijoroan’ny Zandarimariam-pirenena eto amin’ny tany sy ny firenena;
– Namafisiny fa tohizana ireo paikady efa tsara tamin’ny fitantanana ny Zandarimaria ary ampifanindranan-dalana amin’ny fivoarana ireo izay mbola tokony hoarenina.
Marihina moa fa ny Jeneraly GELLE Serge SEG ankehitriny, ankoatr’ireo marim-pahaizana maro ananany, dia manana ny:
– « Diplôme de l’Université de droit et de Science Criminelle” tao amin’ny “Université de Paris XI ème”;
– “Diplôme d’Etat-major de la Gendarmerie » tao amin’ny « Centre d’Enseignement Supérieur, France »;
– « Diplôme de l’Ecole de Guerre » tao amin’ny « Ecole Supérieure Internationale de Guerre, Cameroun ».
Ny taona 2019 izy no nahazo ny laharam-boninahitra « Général de division » ary efa nitana andraikitra ambony teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena toy ny:
– Komandin’ny Sekolin’ny Zandarmaria nasionaly (EGNA) Ambositra;
– Komandin’ny Fari-piadidiana ny Zandarimaria (CIRGN) Fianarantsoa sy Toamasina;
– ary Lehiben’ny Etamajaoro teo anivon’ny Foibe fibaikoana ny Zandarimaria (CEM) tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy no izao voatendry amin’izao andraikiny vaovao izao.
Manana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’ordre national » izy ny taona 2019.
Anisan’ny mampiavaka azy dia ny fomba fiasa feno fahitsiana ka manaja ny fitsipi-pifehezana ary tia mampianatra. Manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra maro no efa nobeaziny sy nampianariny nandritra ny 34 taona izay.
Anisan’ny olona miavaka amin’ny fitaizam-batana toy ny baolina kitra sy hazakazaka ary miaina isan’andro ao anatin’ny fanatanjahan-tena.
Teo ampamaranana ny lanonana famindram-pitantanana dia nisy ny fifanolorana marim-pahatsiarovana ho porofon’ny firahalahiana tsy ho ravan’ireo izay olon-dratsy mitetika ny hanafoana ny Zandarimaria.