ZANDARIMARIA MANJAKANDRIANA: FAMPITAOVANA AVY AMIN'NY VONDRONA IRAISAM-PIRENENA UNFPA

Manao tohivakana ireo Vondrona maro samihafa, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na ny eto an-tanindrazana, na olom-boafidy na olom-boatendry, eny fa na ireo olon-tsotra koa aza, amin’ny fanohanana ny Zandarimaria.
Ny 04 aogositra 2021 dia ny Vondrona iraisam-pirenena UNFPA indray no nanolotra fitaovam-pifandraisan-davitra ho an’ny Tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Manjakandriana, ka solosaina 01 sy finday avolenta 01 ary « Airbox 04G » iray no natolotr’izy ireo tamin’ny izany.
Izao no natao hoy izy ireo dia ho fanohanana ny ezaka ataon’ny Zandarimaria amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifandraika amin’ny fitoviana lenta (VBG) mba hanamorana ny fandraisana an-tanana sy ny fampitàna ny tranga ary ny angom-baovao amin’ity Vondrona iraisam-pirenena ity.
Ny Zandarimaria dia manantitra ny fisaorana sy fankasitrahana ny amin’ireny fanohanana ireny, ary manome toky fa hikolokolo sy hampiasa ireo fitaovana ireo araka ny tokony ho izy.
Tsapa tokoa fa mariky ny fifampitokisana eo amin’ny Zandarimaria ireo mpanohana ary indrindra ireo vahoaka tsy ankanavaka ireny fihetsika fanohanana ireny.