CHINE/MADA: FITSIDIHAM-PIARAHA-MIASA

Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Repoblika entim-bahoaka Chine sy Madagasikara dia tonga nitsidika ara-pomba ofisialy tao amin’ny biraon’i Jeneraly RABEHAJASOA Andrianaivo, Mpandrindra ankapobeny ny asa ara-stratejikan’ny Zandarimaria, ny Tomponandraikin’ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivoho sinoa eto Madagasikara, ny marainan’ny faha 05 aogositra 2021.
Ny dinika niraisana dia niompana tamin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa mahakasika ny fanofanana sy fampitaovana ny Zandarimariam-pirenena ary fiarovana ny Masoivoho sy ny teratany Sinoa mandraharaha sy mipetraka eto Madagasikara.
Hisy moa ny fivoriam-piaraha-miasa matotra atsy aoriana kely handinihana ny fanatanterahana ireo voadinika anio.
Ny zandarimaria moa dia vonona hatrany hanatontosa ny andraikiny amin’ny fiarovana tsy ankanavaka izay teratany vahiny na teratany malagasy manerana ny nosy.