FANDRESENA 2021

Tontosa io tolakandro io ny lanonana fanolorana ny diplaoman’ireo mpianatra 🎓 ho manamboninahitra avy ao amin’ny #andiany_42, izay nahavita ny fiofanana 3 taona teo anivon’ny Akademia miaramila Antsirabe.
🙏Nanome voninahitra ny lanona ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamariam-pirenena, notronon’ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Tafika Malagasy.
✅Etsy ankilany notolorana mari-pankasitrahana kosa ireo mpanabe azy ireo.
☑️ Hotanterahina rahampitso kosa ny lanonana famoahana azy ireo amin’ny fomba ofisialy.