Nahazo angom-baovao mari-pototra ny Direction Générale de la Sécurité routière (DGSR) fa misy orinasa iray atao hoe « multi-service Maschener » izay ao Tsaralalana Antananarivo no manao hosoka sy fampiasana hosoka moba ny « plaques châssis ».
Nandray andraikitra avy hatrany ny DGSR ka niara-niasa tamin’ny Direction de la Police Judiciaire (DPJ) ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.
Nanao fitsirihana sy fisavana teny an-tsehatra avy hatrany ireo mpanao famotorana sy mpikaroka fadikan-dalàna, ka tra-tehaka tamin’izany ireo fitaovana fanaovana hosoka sy hosoka isan-karazany izay fantatra fa tsy mitovy amin’ireo izay vokarin’ny DGSR, ny 26 jolay 2021 tokony tamin’ny 9ora.
Rehefa natolotra ny fitsarana ireo olona 3 voarohirohy sady tra-tehaka nanao izany fandikan-dalana izany, ny 28 jolay 2021, dia nahazo fahafahana vonjimaika ary fantatra ihany koa fa anio 29 jolay 2021 dia ho tsaraina sahady.
Ny Zandarimaria dia efa manao ezaka andro aman’alina manao hetsika amin’ny fandikan-dalàna rehetra hiarovana ny vahoaka ary anisa’izany ny fiadiana amin’io hosoka ‘plaque chassis’ sy halatra fiarakodia io.
Ny heloka toa izao fanaovana hosoka izao tokoa mantsy dia mampirongatra ny halatra fiarakodia sy moto izay efa mampikaikaika ny vahoaka.