Ny talata 27 jolay 2021, tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava, dia tonga nanolotra fitaovana maro samihafa ho an’ny Zandarimariam-Pirenena ny firenena frantsay izay notarihan’Andriamatoa Mpanolo-tsainan’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara.
Mitentina 90.000.000 ariary ny tombam-bidin’ireo entana ireo, ary ahitana fitaovana fampiasa amin’ny sehatry ny famotorana ireo raharaha heloka bevava sy fitaovam-pifandraisan-davitra izay mamaly tokoa ny filàn’ny Zandarimaria ankehitriny.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanolorana ireo fitaovana ireo ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria izay notronin’ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo tompon’andraikitra ambony maro.
Izao fanomezana izao dia marika hita maso fa matoky sy manohana ny Zandarimariam-Pirenena ny firenena frantsay. Tsy izy irery ihany anefa fa eo koa ny vondrona iraisam-pirenena izay ahitana ny Système des Nations Unies ohatra (nanorina postes avancés sy nanome fitaovana harifomba maro, motos, fiara, …), ireo loholona sy solombavam-bahoaka efa miisa 80 mahery, Minisitra, mpandraharaha, olon-tsotra marobe, …
Izany fanohanana izany moa no misy dia noho ny fahatsapan’izy ireny ny ezaka sy asa tsara vitan’ny Zandarimaria. Ary hisaorana azy ireny izany fa manome hery anay hanao ny tsara sy bebe kokoa hatrany.
Koa ankehitriny raha misy olona vitsivitsy mangataka ny fanafoanana ny Zandarimaria dia azo heverina fa tsy olona tia tanindrazana ireny ary mety anisan’ireo jiollahy