Tonga tao amin’ny « Akany Zandarimaria », ivotoerana fitaizana ireo zaza kamboty ao Arivonimamo, Atoa Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy Ramatoa vadiny Sahondra RAVALOMANANA ary ireo Tomponandraikitra ambony mpiara-miasa aminy. Teo ihany koa ny Jeneraly Lefitra voalohany eo amin’ny fibaikoana ny zandarimaria miaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy, nitsidika ny Akany sy nanome voninahitra ny fanolorana fanomezana ho azy ireo, anio maraina talata 13 jolay 2021.
Ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny RUNDONG INTERNATIONAL DEVELLOPMENT, ny COMEX dia nanolotra ny fanampiana toy ny savony, menaka, vary, ronono, biscuits, ary fitaovam-pianarana maro samihafa.
Ny solon-tenan’ny Vondrona TOZZI GREEN kosa moa dia manangana trano fatoriana ho an’ireo ankizy beazina ao amin’ny AKANY.
Ireo mpianatra 2 afaka fanadinana CEPE dia i Tyffanie sy Joachin dia nomen’i SEG marim-pankasitrahana 30.000 ariary tsirairay avy mba ho famporisihana.
Nifandimby nandray fitenenana tamin’izany ny Lehiben’ny fifehezana ny AKANY, nodimbiasan-dRamatoa vadin’ny Sekreteram-panjakana, ny solon-tenan’ireo mpiara-miombon’antoka ary nofaranan’Atoa Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, izay nitondra fankasitrahana sy fisaorana ary firarian-tsoa.
Taorian’zay dia niroso tamin’ny fizarana ireo fanomezana ho an’ny ankizy izy ireo.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo foto-drafitr’asa efa nisy ao amin’ny AKANY sy ny efitrano vaovao fatoriana izay eo andalam-panorenana.
« Maro ny anjely nirahin’Andriamanitra hanao soa ny mpiara-belona aminy, eto an-tany ».
« Izay ataonareo amin’ireny mandinika ireny dia ataonareo amiko koa. »