Voasambotra tany Befandriana-avaratra i Jerson

Ela nisitrisitrihana fa tratran’ny zandary ihany ilay jiolahy raindahiny nampijaly ny vahoakan’Antsohihy atao hoe « JARISONE » na antsoina hoe « JERSON », izay namoahana filazana hazalambo tetoana.
Ny sabotsy faha 10 jolay 2021 tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro izy sy ny rahalahiny atao hoe RASAMY no voasambotra tao Antsahabe Lagnorana, CR Mantsondakana, distrika Befandriana Avaratra, faritra Sofia, rehefa natao hazalambo nandritry ny 03 volana mahery.
Raha tsiahivina dia halatr’omby, nitazona omby halatra, famotsiana taratasin’omby halatra fikambanan-jiolahy, fampihorohoroana, kolikoly, firaisana tsikombakomba amin’ny raharaha vono-olona, no antony nanenjehana azy.
Tsiahivina manokana ihany koa fa jiolahy efa nigadra 7 taona tany Tsiafahy izy ny taona 2006 saingy vao nahavita 5 taona monja dia tafavoaka noho ny antony manokana.
Amin’ity indray mitoraka ity dia tsy hisy antony ahavotsotra azy satria mitombona tsara avokoa ireo vesatra hanenjehana azy araky ny andinin-dalàna famaizana.
Araka ny loharanom-baovao mari-pototra tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa miriaria ao anelanelan’ny tany efitra faritra SAVA sy SOFIA izy sy ireo jiolahy mpiaradia aminy. Nanao paikady manokana araka izany ny Vondron-tobim-pileovana (Groupements) Zandarimariam-pirenena Sofia ka nenjehina nanomboka tany Antsirandava Bealanana ka tany Antsahabe Mantsondakana, izay efa akaikin’ny distrika Andapa faritra SAVA no tratra.
Ankoatra azy sy ny rahalahiny voasambotra dia voasambotra tany Antsirandava Bealanana/Sofia sy Marotsipoy Andapa/Sava ihany koa ireo nampiantrano azy hatrizay. Mitohy ny hazalambo ireo mpiray tsikombakomba aminy.
Ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo zandary sy loharanom-baovao amin’izao nahasamborana an’i Jerson izao, ka nanolotra ilay lelavola 2.000.000 ariary nampanantenainy toy ny nataony tamin’ny nanamborana an’i DEL KELY. Toa izany koa ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena dia nanolotra lelavola 1.000.000 ariary.
Marihina manokana etoana fa tsy arovan’ny Fanjakana na ny SEG izany io araka ny tsaho nahely; tsy misy ihany koa ifandraisany amin’ny aty amin’ny foibe ary tsy mbola niresaka na nahita azy io hatramin’izay ny aty amin’ny SEG sy ny Foibe fibaikoana ny Zandarimaria.
Maro ihany koa ireo Tomponandraikim-panjakana any antoerana no nanampy sy nankasitraka ireo zandary nahasambotra azy.
Tsy misy olon-dratsy ho afaka hiery na hisitrika mandrakizay fa tsy maintsy ho sarona ihany satria betsaka ireo vahoaka mahatoky ny Zandarimaria ka mifanakalo vaovao.