Mitsinjo hatrany ny zanaka zandary, lavon’ny dahalo teo ampanefana ny adidiny, tezaina eny @ Akany Fitaizana zaza kamboty eny Arivonimamo, ny tompon’andraikitra @ Zandarimariam-pirenena sy ny zandary am-perin’asa. Ka ankoatra ny andraikitra efa raisina, rehefa misy ny vanim-potoana misongadina, dia tsinjovina manokana izy ireo, mba hahatsiaro fa na tsy eo aza ny Rainy sy ny Reniny, dia miezaka misolo azy ireo ny zandary am-perin’asa.
Koa noho ny maha-volan’ny ankizy ny volana jiona sy fahatongavan’ny Fetim-pirenena, dia tonga nanolotra fanomezana ho azy ireo ny jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimaria sy ramatoa vadiny, ny jeneraly Rakotobe, mpiahy manokana ny Akany sy ramatoa vadiny ary ny vehivavy nisolontena ny FIVAZA. Katsahina hatrany koa ny manentana ny malala-tanàna sy ireo tsara sitra-po, hanampy ireo zaza kamboty navelan’ireo namoy ny ainy hoan’ny Tanindrazana. Ka t@ io fotoana io, dia nisy tonga teny hanamboatra trano fonenana hoan’ireo zaza kamboty, fa efa tsy ampy azy ireo ny misy ankehitriny. Tena faly ireo ankizy t@ fanomezana nomena sy ny fikatsahana hanatsaràna ny fiainan’izy ireo.
Koa dia maneho fisaorana ireo tsara-sitrapo efa nanampy, ary manentana hatrany ireo nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana mba hitsinjo azy ireo satria « maro ny anjely nirahin’Andriamanitra hanao soa ny mpiara-belona aminy, eto an-tany.