-Nivaly omaly 08 jona 2021 ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary” Première phase” na dingana voalohany. Ny olona voasoratra anarana nanao ilay fifaninanana dia niisa 9595, ny isan’ny “admissible” na ny afaka tamin’ny dingana voalohany kosa dia 1482 ka ny 182 amin’io no vehivavy.
-Manomboka amin’ny 08 aogositra 2021 ny dingana faharoa izay hatao any Ambositra ka ireo olona 1482 ireo no tokony ho tonga any an-toerana amin’io andro io. Manana fotoana malalaka tsara izy ireo mba hiomanana amin’izany. Ny valin’izao dingana voalohany izao dia ho hitan’ny rehetra any amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria “Brigade” manerana ny nosy, ary koa any amin’ny biraon’ny vondron-tobim-pileovana na “Groupement de la gendarmerie ».
– Ireto avy no hanadinana ireo mpiadina rehefa tonga any Ambositra :
1-Fizahana aram-pahasalamana “visite médicale” ;
2-ny faharanita-tsaina « test psychotechnique » ;
3- fanatanjahantena “sport” ary farany “entretien d’embauche sur l’aptitude de métier d’un gendarme” izany hoe hametrahana fanontaniana maromaro izy raha hita hoe tokony tandrify an’azy ilay asan’ny zandary na tsia.
-Marihana fa izay olona manana eritreritra fa tsy nety ity “concours” ity ka manana tsikera dia izahay komity mpikarakara dia vonona ny handray azy ireo na ihany koa misy zavatra hafahafa any dia mbola vonona izahay ny hanazava azy fa mila hampitaina izany. Efa nanao ezaka be dia be ny teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ny BIANCO sy ny ministeran’ny asam-panjakana mba hanatsarana ity fifaninanana ity.
-Ny hafatra avy aty amin’ny Zandarimariam-pirenena dia olona MPISANDOKA izay milaza fa mahafaka mpiadina amin’ny fiodinana faharoa ka mitaky vola amin’izy ireo ary tokony hiantso anay malaky ianareo mba ahafahana misambotra ireny olona ireny satria manimba ny asan’ny Zandary sy ny asam-panjakana ary ny Firenena mihitsy izany.