Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny Colonel Wang Tao, attaché de défense eo anivon’ny masoivoho an’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara anio maraina 07 jona 2021 tamin’ny 10 ora.
Ny laha-dinika dia niompana tamin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana sy filaminana izay nifampizarana eo amin’ny Zandarimaria sy ny Chine ny laha-dinika.
Raha izao no sambany vao misy ny Manamboninahitra Sinoa misahana ny Fiarovana avy amin’i Chine eto Madagasikara dia efa hatry ny ela kosa no nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roatonta ary hamafisina sy tohizana hatrany izany fa indrindra eo amin’ny fizarana traikefa, vonona hatrany izy ireo hifampizara sy hifanakalo amin’ny Zandarimaria izany traikefa izany. Misy indrindra ihany koa fifampizaràna eo amin’ny Polisim-pirenena Chinoise sy ny Zandarimaria Malagasy.