Passation de commandement groupement Melaky

Tontosa antsakany sy andavany androany zoma 04 jiona 2021 tamin’ny 10 ora ny lanonana tsotra nefa manana ny lanjany manokana namindrana ny fibaikoana ny zandary ato amin’ny vondron-tobimpileovana Melaky.

Ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny lefiny faharoa no nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana.

Nitarika ny famindram-pibaikoana kosa ny Jeneraly komandin’ny faripiadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga.

Ny lietna-kôlônely DOLOSENY Nadège Janvier no mibaiko ny vondron-tobimpileovana Melaky ankehitriny izay nisolo ny kôlônely Tovolahy Adolphe.

Tamin’ny lahateny nataon’ny komandin’ny zandarimaria no nisaorany an’Andriamanitra fa lavorary ny lanonana ary nisaorany koa ireo rehetra nanampy nahatontosana izany.

Nampitainy fa mariky ny fifanajana sy soa toavina ato amin’ny zandarimaria ny famindram-pibaikoana ka tokony ho raisina ampifaliana.

Ny fampandriana fahalemana hoy izy dia tsy vitan’ny zandary irery satria avy amin’ny fiarahamonina ihany ireo dahalo ireo. Noho izany mila fehezina ny zanatsika mba tsy hifandray tendro amin’ny dahalo na ho voasintona hanao dahalo.

Mbola betsaka ny atao na dia efa valo aza ny CSAO efa napetraka eran’i Madagasikara ka homena fitaovana hamitany ny asany. Ho an’i Melaky manokana dia efa nahazo zandary 75 tamin’ny taondasa ary vao nahazo 75 indray.

Tsy anjely anefa ny zandary fa olombelona mitovy amintsika ihany ka raha misy tsy mety ataony dia ampitao aminay fa horaisinay ny andraikitra hoy izy teo ampamaranana.