Ny asabotsy 05 jona 2021, tamin’ny lalam-pirenena faha-3, dia nisy fiara telo, notarihin’ny iray nisava lalana toy ny fiara mitondra marary na mpamonjy voina na mpitandro ny filaminana, kanefa samy mitondra takelaka fiara tsotra daholo ary ny sasany dia vitres fumés. Nandeha mafy izy ireo, nandika ny sakana (barrage de contrôles sanitaires et sécuritaires) ataon’ny zandary eo @ sampanana Ambohimanga Rova nandeha nianavaratra.
Ny hariva rehefa niverina nitodi-doha ho aty Antananarivo ireo andiana fiara ireo, dia nohamarinin’ny zandary nanao ny asany andavanandro (Police de la route) teo Talatavolonondry. Tamin’izany indrindra no tsy nanaiky hosavaina ireo fiara ireo tao anaty fiara, ary nisy iray nilaza ho Solombavambahoaka nanao vava be nandrahona sy nanao fampitahorana an’ireo zandary ka niteny hoe « Ny Filoha Marc Ravalomanana no ao anaty fiara ». Tsy nanaiky lembenana anefa ireo Zandary fa nanao ny asany araka ny tokony ho izy na teo aza izany fampihorohoroana natao azy satria tsy nisy nahafantarana izay olona tao anatiny marina t@ io. Rehefa vita ny fisavàna, dia navela nandeha ireo.
Kanjo rehefa teo @ sampanan’Ambohimanga Rova indray, dia mbola tsy nanaja sy nanaraka ny laharan’ireo fiara nilahatra handalo fisavana ataon’ny zandary ireo fiara ireo, fa nisongona avy hatrany ka niteraka fitohanana sy fimenomenonana avy @ ny mpampiasa lalana hafa.
Mba tsy hisehoan’ny toy izao intsony, dia mampahatsiahy ny Zandarimariam-pirenena fa :
– tokony hanara-dalàna daholo ny rehetra izay mampiasa làlana. Tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza.
– Tokony mba hanaiky ny fandaminana ihany koa ny tsirairay ary izay mihevitra ny tenana ho tsongoim-bolo eto @ Tany sy ny Fanjakàna no hanome ohatra @ izany, fa tsy hisetrasetra @ zandary izay tsy mandry andro, tsy mandry alina manao ny asany hoan’ny Tanindrazana ary manolotra ny ainy mihitsy aza satria isan-taona dia misy maromaro foana ny zandary lavon’ny dahalo. Tany tan-dalàna i Madagasikara ary ny zandary dia isan’ireo natao hampihatra izany.
– Tsy azo atao ny manao « véhicule prioritaire » afa-tsy ireo voafaritry ny lalàna ihany na sendra ny hamehana toy ny mitondra marary.
– Mety hitera-doza ny fizirizirina mbola manao fisetrasetrana toy izao satria araka ny didim-panjakana laharana faha 63-253 t@ 09 mai 1963, and. 121, dia afaka mampiasa ny fitaovam-piadiana eo am-pelatanany ny zandary, raha misy olona tsy mety mijanona rehefa ampitandremana mba hijanona kanefa tsy manaiky izany.
Natao izao mba fampianarana farany sy ho fampitandremana