Ela ny ela, voasambotra anio faha 13 mey 2021 tamin’ny 08ora sy sasany maraina tao Ambohibolakely, CR Morarano gare, distrika Moramanga, faritra Alaotra Mangoro ilay jiolahy mpaka olona ankeriny sy mpampihorohoro tao anatin’ny faritra Betsiboka sy Analamanga ary Alaotra-Mangoro antsoina hoe DELKELY.
Ireo Zandary mpampandry tany izay nanao hazalambo azy hatrany Anjozorobe izay notarihin’ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, komandin’ny faripiadiadian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo sy ireo zandary tany antoerana no nahasarona azy avy amin’ny alalan’ny fahazoana angom-baovao mari-pototra.
Araka ny teny fampanantenana avy tamin’ny Fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa hajaina Andry Nirina RAJOELINA, Filoham-pirenena dia ho tolorana ireo zandary sy ireo izay nahazoam-baovao nahatrarana azy ny lelavola fankasitrahana mitentina 20.000.000 ariary.
Torak’izany ihany koa, ny Jeneraly Sekretram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) dia nanolotra ny lelavola 2.000.000 ariary ho an’ireo maherifo ireo.
Ankoatr’ireo lelavola fankasitrahana ireo dia homena fankasitrahana arak’asa ihany koa ireo zandary dia ny PRIMES DE BRAVOURE sy BONUS D’ANCIENNETÉ EN PORT DE GRADE ary LETTRE DE FÉLICITATION.
Mamporisika ny fitohizan’izao ezaka tsara sy matihanina izao mba hilaminan’ny vahoaka ho afaka hiary ampitoniana.
Mbola mitohy ny hazalambo atao ireo namany ary mbola mipetraka ny fanamby nambara fa tsy maintsy ho tratra ireo olon-dratsy mpiaraka aminy sy izay rehetra mpiray tsikombakomba aminy ary tsy maintsy milamina ny faritra izay nampihorohoron’izy ireo.
Teo ampisamborana azy moa dia voatifitra ny fen’i DELKELY havia ka nentina ho tsaboina any Moramanga sady atao andrimaso hentitra.