Natomboka anio faha 11 mey 2021 tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Covid 19 eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena, teo ambany fiahian’Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka.
Nisantatra izany ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, komandin’ny Zandarimariam-pirenena ary ireo Tomponandraikitra ambony eto anivon’ny Zandarimaria.
Araka ny antontanisa voaray dia 99% an’ireo zandary dia nitolotena antsitrapo handray izany vaksiny izany. Vinavinaina ho vita vaksiny avokoa ireo zandary nanaiky izany manerana ny nosy, ao anatin’ny iray volana.
Marihina ihany koa fa tafakatra 590 ireo zandary sy fianakaviana zandary ary mpiasa sivily efa voan’ity areti-mandoza ity nandritra ity taona 2021 ity; 11 no namoy ny ainy; ny 173 kosa dia efa sitrana raha ny 406 mbola manaraka fitsaboana sahaza, ka ny 215 amin’ireo dia miandry ny valim-pitiliana.
Andiany faharoa izao fanaovam-bakisiny izao raha ny ireo Mpiasan’ny fahasalamana no nisitraka izany voalohany hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka.
Goavana ny andraikitra ankinina amin’ny Zandarimariam-pirenena manoloana ny ady atao amin’ny valanaretina coronavirus. Ireo Zandary miantsehatra mampanaja ny fepetra sakana eny amin’ny lalam-pirenena sy anaty tanàna ary toerana izay feno vahoaka dia tsapa fa manolotra ny ainy tokoa hiarovana ny mpiray tanindrazana. Anisan’ny loha-laharana mifampikasoka amin’ny vahoaka izy ireo ka rariny loatra raha mandray ny vaksiny entina hiarovan-tena.