Nidina fanindroany tany antoerana ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andry, komandin’ny faripiadidiana Zandarimariam-pirenena Antananarivo (CDT CIRGN), nitsirika sy nanao tombana ifotony izay hetsika fampandrian-tany izany, anio faha 11 mey 2021.
Marihina fa nanaovana ezaka manokana ny fandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’i Anjozorobe sy ny fanaovana hazalambo an’i Delkely jiolahy raindahiny mpamono olona sy mpaka ankeriny.
Fantatra ary izao fa efa mihatery tanteraka ny lalan-kalehan’io jiolahy io satria efa voafehy avokoa ny kizo sy lalana ary tanàna fihereny.
Nisy moa ny fidinan’ny Jeneraly CDTCIRGN Antana tany Ambongamarina, toerana izay nisamborana ireo mpiray tsikombakomba amin’i Delkely miisa telo, ka nahafahany nifampizara vaovao tamin’ireo zandary mpiantsehatra sy ireo tomponandraikitra tany antoerana (Député, Chef district, Maires sy Conseillers ary DAA).
Totoafo ny fisafoana sy fiarovana ireo toerana rehetra ao anatin’ny distrikan’i Anjozorobe sy ireo distrika mifanefitra. Tsy maintsy tohizana sy hamafisina ny hazalambo an’i Delkely izay mampihorohoro io faritra io. Ireo Zandary sy Tafika ao anatin’ireo faritra mifanefitra moa (Betsiboka, Analamanga, Alaotra-Mangoro) dia miara-misalahy amin’izao hetsika izao. Ny tanjona dia ny ahatratrana an’i Delkely sy ny forongony mba ahafahan’ireo vahoaka hiasa mamboly sy miompy ampitoniana. Isaorana ireo mponina nanome vaovao fa nanamora ny asan’ny Zandarimaria ary nahitam-bokany tokoa.