Hentitra tokoa ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny fandriampahalemana amin’ny fampiharana ny lalàna velona mba hiarovana ny vahoaka. Hita sy tsapa izany tamin’ny fampidirana amponja vonjimaika an’ireo jiolahy miisa 6 nahiana ho nahavita ny heloka bevava nahafaty ilay Dokotera tany Amboangibe.
Raha tsiahivina fohy dia ny 21 aprily lasa teo no nisy namono ilay Dokotera tao Amboangibe distrika Sambava. Natao ny fikarohana nahavanon-doza ka nisy ireo voasambotra. Niteraka savorovoro ny mbola fitazonana ireo voarohirohy satria nangatahan’ireo mponina ao Amboangibe hanaovana fitsaram-bahoaka ny 24 aprily. Niravona ihany anefa izany olana izany taty aoriana rehefa nandray andraikitra ireo Solotenam-panjakana.
Olona miisa valo no voasambotra mikasika izany raharaha vonoolona izany. Ny faha 04 mey 2021 no natolotra ny Fitsarana tao Antalaha ireo 7 mianadahy nahiana ho nahavanon-doza ka ny 6 dia naiditra amponja vonjimaika raha nahazo fahafahana vonjimaika koa ny iray. Tsara ho marihina fa misy ramatoa iray izay antsoina hoe RASOA Lette, anisan’ny voarohirohy sy efa voasambotra ary efa voatazona tao amin’ny Toby Zandarimariam-pirenena Antalaha saingy mbola tafaporitsaka nilefa ihany ka efa anaovana savahao ankehitriny; misy moa ny famotorana manokana mikasika izany ary tsy maintsy handraisana fepetra raha nisy fahadisoana teo amin’ny fiambenana.
Ny Zandarimariam-pirenena dia manome toky hatrany ny vahoaka fa mijoro amin’ny fahamarinana sy mampihatra ny tany tan-dalàna sy ny fahaizamanao matihanina. Anterina hatrany fa ny fifampitokisana eo amin’ny Mpitandro fialaminana sy ny vahoaka arovana no ahazoana vokatra tsara.