Fiofanana GDF Mahajanga

Notontosaina androany zoma faha 30 aprily 2021 teny amin’ny Compagnie Frontalière Amborovy ny fandravonana ny fiofanana mahakasika ny « gestion démocratique de foule » izay naharitra 5 andro. Tafita hatramin’ny 80% ny fampianarana hoy ny mpampiofana. « Base » ihany ireny hoy izy fa ny fanazaran-tena no hanampiana azy. Ny Jeneraly komandin’ny fari-piadidiana no namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ary nampita ny fisaorana hoan’ireo mpiantsehatra sy ny mpampiofana.