RAHARAHA MPAMILY MAMO TENY AMBOHIMANGAKELY

Ho tohin’ ilay raharaha mpamily mamo nisehoseho ho fianakavian’i Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teny Ambohimangakely ka nanevateva ireo zandary nanao sakana ara-pahasalamana tamin’ny harivan’ny 23 aprily 2021, dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ny 27 aprily 2021 ka araka ny didy nivoaka dia naiditra vonjimaika etsy amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpamily.

Familiana fiara anaty fahamamoana; faniratsirana mpitandro filaminana teo ampanatanterahana ny asany; fanararaotana amin’ny fisehoana fahafantarana olona ambony; fandikàna ny lalàna faha 91.011 ny 18 jolay 1991 mamaritra ny hahamehana misy eto amin’ny firenena. Ireo no andinin-dalàna famaizana nanenjehana azy.

Tsiahivina fa tokony mba hiezaka ny rehetra:

1)- hanaja ny mpitandro ny filaminana izay manao ny ainy tsy ho zavatra hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

2)- hampahery ny mpitandro ny filaminana fa tsy hanambanimbany na hisetrasetra amin’ izy ireo na olona ambony, na mahalala olona ambony na akaiky mpitondra izy ireo.

Manaraka izany dia tsy ao anatin’ny kolontsaina ato amin’ny Zandarimariam-pirenena ny miaro olo-meloka, na manao « corporatisme » , indrindra fa raha manevateva zandary manao ny asany ny olona iray. Mahalala izany ny tena havana na olona mifanerasera amin’ny zandary, indrindra moa fa amin’ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimaria.