Behenjy Vakinankaratra mankeny Ambalavao Analamanga
Hentitra dia hentitra ny fisafoana ny lalam-pirenena faha 7. Fiara iray mitatitra olona antsokosoko sady tsy manaja ny fepetra sakana ary moto maromaro manao taxi-moto izay efa tsy aradalana rahateo no nogiazana ka nampidirina ambalan-tsazy 10 andro sady mandoa lamandy.
Ambatolampy
Fisafoana tampoka nataon’ny Kapiteny lehiben’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatolampy tamin’ny lalana mivoaka ny tanàna no nahatrarany moto manao taingin-telo. Sady tsy misy taratasy ireto fitaovana ireto no mbola mandika lalàna mitatitra antsokosoko.
Nogiazana ambalan-tsazy ihany koa ireo moto ireo ary mandoa lamandy mifanaraka amin’ny tanjaky ny motera.
ANGATAHINA NY HAMPITOMBOANA NY ANDRO FANAGIAZANA SY NY FISINTOMANA TANTERAKA NY PERMIS HO AN’IREO MPAMILY.