Tonga nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena (panneaux de basket) sy fanafody enti-misoroka ny fianahan’ny valanaretina Covid19 (menaka ravintsara, tsiranoka fandio, arovava-orona) ho an’ny Sekoly Ambony Zandarimariam-pirenena ao Moramanga ny Jeneraly ANDRIANJANAKA Njatoarisoa, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, anio faha 29 aprily 2021.
Nisy ihany koa ny fotoana nanaovany fanentanana maro samihafa mikasika ny fisorohana ny valanaretina coronavirus sy nanomezany toromarika arak’asa indrindra manoloana izao valanaretina izao:
– Mitohy hatrany toy ny mahazatra ao anatin’ny 7andro/7 sy 24ora/24 ny asa fiarovana ny vahoaka na dia misy aza ny valanaretina. Toy izany ihany koa ny fanofanana ao amin’ny Sekoly;
– Hamafisina hatrany ireo ezaka iadiana amin’ny coronavirus. Ny fampitaovana fanafody izay natao dia midika fa mbola ao anatin’ny ady tanteraka isika izao, koa natao izany ho fampatsiahivana ny tokony hanajana hatrany ireo fepetra sakana voafaritra, na hoan’ireo Mpampiofana na iteo mpianatra na ireo fianakaviana isan-tokantrano;
– Tsy maintsy manantona Mpitsabo haingana raha vao vantany misy fambara na dia kely aza mba hisorohana ny fahasarotany.
Manoloana izany, ny Kolonely RABEMANANJARA Heriniaina, Komandin’ny Sekoly ambony Zandarimariam-pirenena dia nanolotra fisaorana ny Fibaikoana sy nanambara ny fahavononany hatrany hampihatra ireo tondrozotra voaray.