OMBY NANGALARINA TAFAVERINA AMIN’NY TOMPONY
Cellule coordination GN Antanifotsy
1/Poste Avancé Ambohitompoina/Antanifotsy
Omby miisa roa no nisy naka antsokosoko tao Ambohijafy Kaominina Ambohitompoina ny 27 Aprily 2021, tamin’ny 6 ora hariva.
Roso iny alina iny ihany ny fokonolona nampian’ny zandary telolahy notarihin’ny Chef de poste GPHC TSIMATIFY Gérard.
Nifankahita iny alina iny ihany ny mpanaradia sy ny dahalo ka nitsoaka ireto farany. Nomena fampitandremana hijanona saingy tsy nanaiky ka voatery nitifitra ny zandary. Lavo noho izany ny dahalo iray raha azo sambobelona kosa ny iray rehefa nifanenjehana.
Tafaverina amin’ny tompony ny omby very.
Rehefa nojerena dia fantatra fa dahalo tena rain-dahiny ity lavo ity izay antsoina hoe NAIVO MENA, tsy fantatra ny fonenany ary gadra nitsoaka tamin’ny 2018. Nahafaly ny mponina mihitsy ny nahafaty azy satria tena nampitondra faisana ny mponina manodidina io dahalo io.
Nidina tany Ambohitompoina mihitsy ny Lietnà JONARY Jean Nico, Officier coordination GN Antanifotsy sy ny GPHC RAMARIJAONA Fenitra, CB Antanifotsy nanao sy nandrindra ny fanadihadiana.
2/Poste fixe Antsapandrano Antanifotsy.
26 Aprily 2021.
Tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nisy naka antsokosoko ny omby roa tao Ambatodidy Kaominina Antsapandrano.
Nanara-dia avy hatrany iny alina iny ny zandary sy ny fokonolona.
Hita nifatotra tany amin’ny 40 km ireo omby very, tao Fandrianjavona kaominina Antanambao Antsirabe faharoa.
Tsy hita kosa ny nitondra ny ombu na dia nokarohina aza.
ANTSOY HAINGANA HATRANY NY ZANDARIMARIA RAHA VAO MISY TRANGA