CONCOURS 76° CFEG

FIFANINANANA HO MPIANATRA HO ZANDARY: NIZOTRA ARAKY NY FANOMANANA

Nizotra antsakany sy andavany araka ny ny fanomanana napetraka ny fifaninanana ho mpianatra ho zandary andiany faha 76 nandritra ny roa andro (27 sy 28 martsa 2021) nanerana ny nosy.
Nahatratra 9598 ny isan’ireo voasoratra anarana afaka hifaninana, 9203 tamin’ireo no tonga niatrika izany, raha 395 kosa ireo tsy tonga ary 09 ireo tsy navela hanohy ny fifaninanana noho ny tsy fahasalamana (03 suspicions de Covid: Diana, Menabe, Atsimo-andrefana) sy fikasana hangala-tahaka (06 tentatives de fraude: 01 Analamanga, 03 Atsimo-andrefana, 01 Menabe, 01 Sofia).
Hentitra ny fanaraha-maso nataon’ireo tomponandraikitra teo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimaria amin’ny fanajana ny fangaraharana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ihany koa ny fampiharana ny fepetra hiadiana amin’ny valanaretina Coronavirus.
Vinavinaina hivoaka mialoha ny faran’ny volana aprily izao ny valin’iny dingana voalohany iny.
Nisy ny tafatafa niarahana tamin’ireo mpifaninana izay nanambara ny fahitan’izy ireo ny fizotry ny fifaninanana.