Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Jeneraly Richard RAVALOMANANA, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jeneraly Njatoarisoa ANDRIANJANAKA, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Jeneraly RATOVOSON, Komandin’ireo sekoly sy fiofanana, notronon’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria.
Andiam-piofanana miisa 5 no navoaka dia ny 25è CSC, ny 12è CSRC, ny 7è CGPJ sy ny 31è CFOR ary ny 33è SMP.
Taorian’ny lanonana dia nisy ny fotoana izay notarihin’ny Jeneraly SEG sy ny COMGN nanomezana toromarika manokana manoloana ny Coronavirus sy nahafahana indrindra ihany koa nizara ny vokatra CVO+ ho an’ireo zandary rehetra ao antoerana mba ho fiarovantena. Nanolotra fisaorana noho izany ny kolonely RABEMANANJARA Heriniaina, komandin’ny sekoly ambony Zandarimariam-pirenena.