Monthly Archives: décembre 2017

FANOKAFANA TAMIN°NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLAN-KAZO 2017-2018 ETO MADAGASIKARA

 

Ny  Asabotsy   faha  09 Desambra  2017 , tokony ho tamin’ny  10 ora sy sasany maraina teo no nigadona  tao aminy fokontany  Analatsara , kaominina  Ambohibary  ,distrikan’i  Moramanga ,ny delegasiona mafonja notarihan’ny  Praiminisitra lehiben’ny governemanta , Andriamatoa SOLONANDRASANA Mahafaly Olivier , notronin’ireo minisitra maromaro , isany amin’izany  ny Jeneraly  ANDRIAMAHAVALISOA Girard , sekreteram-panjakana  miadidy ny zandarimaria eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena.